dingana manasa-dalana miverina ho an’ny Ligue des Champions, lalao hatao any amin’ny kianja Giuseppe Meazza any Italie. Lalao andrasan'ny rehetra fatratra, taorian'ny 3-3 tamin'ny tany Espagne. Raha hiverenana kely ny lalao mandroso, nitarika 2-0 tany an-tanin’olona ny Inter, saingy nahavita niarina ny Catalan ka nanasahala ny isa ho 2-2. Mbola nahavita nitarika 3-2, nefa dia tratra ihany indray. Nifarana tamin’ny 3-3 izany ady na niezaka nanindry mafy ihany koa aza ny Barcelone. Mbola baraingo ny anio saingy tombony ho an’ny Inter ny filalaovany ao an-jaridainany ary tsy hipetra-potsiny ryLutaro Martinez, Dimarco, Thuram amin’ny fanafihana, fa isan’ny sokajiana ho mirafitra sy mafy ihany koa ny vodilaharana Italianina. Ho an’i Barcelona, hitady fandresena ary manana tanjona handrombaka indray ny Ligue des champions folo taona aty aoriana, ka hanao izay ho afany amin’ity lalao anio ity. Vao ny sabotsy teo no niatrika lalao izay nandresy 2-1 an’i Real Valladolid ary manantena mafy haka ny tapakilan’ny famaranana ny ekipan’i Hansi Flick izay nanjakazaka tamin’ity taom-pilalaovana ity, efa nibata amboara roa raha kely dia ny « Supercoupe » sy ny « Coupe du roi » ary efa manangasanga ny maha tompondakan’ny Liga,... Andrandrain’ny Catalan fatratra ilay tanora mamiratra Lamine Yamal ampian-dry Ferran Torres, Raphinha, Olmo,… ho an’ny anio. Mbola tsy ho afaka hilalao ho an’ny Champion’s league ny mpiandry harato Ter Stegen na efa nilalao ho an’ny Liga aza ny sabotsy teo, ka i Szczęsny mazava ho azy no ho tompon-toerana. Andrasana ny lalao izay heverina fa tena hiady anio.
Toky R
Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »
Vory lanona teny amin’ny EKAR Analamahitsy ny 31 may teo ny fianakaviamben'ny