airtel

Sport

27-août-2021

Sport

Lisitra menan’I Grande Bretaigne Tsy voakasika i Hery Bastien

Sample post image

Mangataka fanibohana manokana na « exception de quarantaine » ho an'ireo mpilalao Afrikanina hamonjy lalao iraisam-pirenena amin'ny governemanta britanika, izay iraisan’I Angletera,

27-août-2021

Pays des Galles, Ekaosy, Irlandy avaratra ny kaonfederasionina Afrikanin’ny baolina kitra. Ny ankamaroan'ny firenena Afrikana dia tafiditra anaty lisitra menan'i Grande Bretagne ka izay mpilalao avy mivahiny amin'ireo firenena ireo dia tsy maintsy manao izay fihibohana 10 andro izay rehefa tafaverina any Grande Bretagne. Isan'ny voakitik’izany ny mpilalao senegaley, Sadio Mané, ny mpilalao egiptianina, Mohamed Salah, izy mirahalahy ireto moa dia miara-milalao ao amin’ny klioba divizionina voalohany anglisy, Liverpool FC. Isany koa ilay mpilalao alzerianina ao amin’ny Manchester city FC, Riyad Mahrez, izay mbola klioba divizionina voalohany anglisy hatrany. Azo lazaina ho difi-janahary kosa ny tsy naha voakasika ny mpilalao Malagasy, Hery Bastien, izay milalao ao amin’ny divizionina voalohany Irlandey dia ny Derry city any Irlande avaratra. Tsy ao anaty lisitra menan'i Irlandy rahateo na I Madagasikara na I Tanzania izay hivahinianany. Mampahatsiahy ny seho tamin'ny volana martsa lasa teo mikasika ireo mpilalao mpifaninana tao amin’ny Ligue 1 sy Ligue 2 tany Frantsa ny tranga.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap