raha tazana niaraka nanao fety tamin’ny mpilalaon’ny Union Saint Gilloise ny faran’ny herinandro teo. Mbola tsy nisy tao anatin'ny 90 taona, raha izao nahazoana ny tompondakan'i Belzika izao, ho an'ity klioban’i Loïc fahiny ity ka tonga tany an-toerana nankalaza, nandihy sy nifety nandritry ny alina i Lapoussin, niaraka tamin'ireo mpiara-milalao taminy taloha . Nandray anjara tamin'izao fandresena izao aho, hoy izy, fa miverina ho an'ny klioba sy ny mpanohana ny fandresena. Mendrika ry zareo tao anatin'izay fotoana ela be izay, hoy ihany i Lapoussin. Tsiahivina fa ny USG no tena nanamarika indrindra ny fotoana naha mpilalao baolina kitra an’i Loïc lapoussin, raha toa ka nandritry ny 5 taona no nilalaovany niaraka tamin’ity klioba divizionina voalohany ao an-toerana ity, izany hoe ny taona 2020 hatramin’ny 2025 nialohan’ny nifindrany ao amin’ny Saint Trond VV, izay mbola klioba manana ny toerany ao Belzika ihany. Hita ho mbola manina ity klioba nanamarika azy ity, araka izany, ny lehilahy.
J. Mirija
Inoana fa ho afa-po tsara ireo mpankafy baolina kitra malagasy amin’io faran’ny herinandro