hatrany mantsy ny azony nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'ny Madagasikara 2023 notontosaina tany Toamasina ny faran',ny herinandro teo. Tena ao anaty heriny tsara ity tovovavy ity izay any amin'ny foibe fiofananana an'ny Federasiona iraisam-pirenena ny Lomano any Kazan, tanàna iray any Rosia. Tsy vitan'ny hoe nanjaka tanteraka izy teo amin'ny sokajy nandraisany anjara fa mbola nomontsaniny koa ny fotoana tsara indrindra teo amin'ny 50 m pap izay lasa 29 segondra sy 25 raha 29.34 izay azy ihany izany teo aloha. Nandritra io fifaninanana tany Toamasina io koa no namontsanan'ny St Michel ny zava-bita tsara indrindra teo amin'ny 4x50m Nage Libre izay 1.47.74.
Clément RABARY
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.