airtel

Sport

29-avril-2024

Lomano

Dobo indray ny Malagasy

Sample post image

Efa tsy nentina tany amin'ny Lalao Afrikanina dia izao indray tsy lasa any

29-avril-2024

Luanda hamonjy ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika. Izay no fanapahan-kevitra navoaka ny Ministeran'ny Fanatanjahantena sy ny Tanora.Fanapahan-kevitra izay tena mamono tanteraka ny lomano malagasy. Dobo araky ny fitenenana nefa tsy afaka manoatra.Dia very anjavony ny ezaka toy ny nataon'i Holy Antsa Rabejaona izay miofana any Kazan ary mbola nianto-tena namonjy ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.Tsy ampy noho izany ny eo ampelatanany nefa ireny foibe fiofanana an'ny federasiona iraisam-pirenena ireny dia miandry vokatra amin'ireo mpilomano raisiny an-tanana. Mety ho very noho izany ny tombontsoan'ity zazavavy nahazo ny medaly volamena nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany. Mbola nandtombaka medaly volamena telo koa i Jonathan Raharvel nefa dia tsy nisy hiraharahon'ny ministera mpiahy izany. Maninona raha hanao mizana tsindrian'ila toy izao raha foanana any mihintsy io ministera io.Sarotra anefa ny miteny hoe tsy mahita sy miaina amin'izao favavozana izao ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahatena izay teo amin'io toerana io efa ampolon-taonany ary efa nisy minisitra efatra nifandimby fa dia mbola Rosa ihany no Rakotozafy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap