airtel

Sport

20-déc-2023

Lomano -Jeneraly Ramanantsoa Gabriel

Vatsim-pianarana amin'ireny foibe fiofanana ireny no vahaolana

Sample post image

Tsy misy fahagagana ny tontolon'ny lomano fa miankina amin'ny

20-déc-2023

fanazarantena sy ny manodidina izany. Nomontsanin'i Holy Antsa Rabejaona ny zava-bita tsara indrindra teo amin'ny 50m NL ary tao anaty fotoana fohy nonnanaovany izany dia tombony ho azy ilay misitraka vatsim-pianarana any Rosia io izay toerana efa tena manana ny lazany. Izao ihany no lalana enti-mampandroso ny lomano eto Madagasikara., hoy ny filohan'ny federasiona malagasy ny lomano, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa raha tafaresaka taminay. Ho ezahina ny hahatonga ny mpilomano malagasy hiditra ireny vatsim-pianarana ireny ka tokony hatao ny ezaka rehetra ho tonga amin'izany. Tsy vitan'ny vava anefa izany fa tokony hampiasana daholo ireo foto-drafitrasa misy toy ny eny Vontovorona sy ny eny amin'ny ANS eny Ampefiloha ary tsy adino koa ny any Toamasina sy Mahajanga. Ampitomboina hifanaraka amin'izay ireo fifaninana ary entanina ireo klioba handray andraikitra.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap