airtel

Sport

31-août-2021

Sport

Madagasikara≠Bénin Mety hivantana amin’ny TVM ihany ny lalao

Sample post image

Nambaran’ny pejim-baovao iray omaly, fa afaka ny hijey mivantana ny lalaon’ny Ekipam-pirenena Malagasy sy ny Ecureuils-n’i Bénin ny vahoaka Malagasy ny 2 septambra lasa teo,

31-août-2021

 raha toa ka mbola baraingo ny ahafaha-manatrika mivantana ny lalao. Nilaza io pejim-baovao io araka ny loharanom-baovaony fa dia afaka hisitraka io lalao io amin’ny TVM ny Malagasy. Voalaza fa manana ny fahazoan-dàlana hampita ny lalao ny fahitalavi-panjakana, saingy tsy miantsoroka ny tan-tsoroka ara-teknika amin’ny fakana sy fampitana ny sary avy eny Mahamasina fa mandray ny avy eny sy mampita fotsiny. Tsiahivina fa nandritra ny lalao tany Toamasina tamin’ny lalao farany nifanandrinantsika tamin’I Niger teo amin’ny andro farany niadiana ny fiakarana amin’ny CAN 2021, dia afaka nandray ny sary sy nampita izany ny TVM. Raha ny nambaran’ny Filoha lefitry ny FMF, Alfred Andriamanampisoa tao amina fahitalavitra iray moa omaly hariva, dia anio talata no ho fantatra ofisialy ny ahafahantsika misitraka ny lalao hivantana amin’ny TVM na tsia, ka dia irariana ny hanambarana ofisialy, fa azon’ny Malagasy jerena ny lalao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap