airtel

Sport

01-sept-2021

Sport

Madagasikara ≠ Bénin Mpijery 10 000 no neken’ny CAF

Sample post image

Mazava ny resaka momba ny Kianja Barean’i Mahamasina sy ny lalaon’ny hifanandrinan’i Madagasikara sy Bénin rahampitso alakamisy manomboka amin’ny 7ora hariva.

01-sept-2021

Nahazo fankatoavana na “homologation” ny Kianja Barea Mahamasina, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo iraky ny CAF miisa 3 nahitana ny Talen’ny Notarihin’ny Talen’ny fifaninana, Talen’ny fampandrosoana, Talen’ny Filaminana. Notsirihina ny anatiny sy ny ivelan’ny kianja, hatramin’ny madinika indrindra. Nisy tamin’ireo iraky ny CAF ireo no efa nandalo teto Madagasikara talohan’ny fanamboarana sy fanovana, ka gaga sy talanjona tamin’ny fiovana. Naneho fa tena nisy ny fanovana lehibe nentina. “Resy lahatra ireo “inspecteurs” an’ny CAF fa tena fotodrafitrasa tena manara-penitra, ary nandoka mihitsy izy ireo. Rehefa notohizana ny fanadihadiana, dia nandefa fehin-kevitra ny “inspecteurs” telo mirahalahy, ka am-pifaliana no hilazana amintsika Malagasy iray manontolo fa nekena hanaovana ny lalao amin’ny 2 septambra ny Kianja Barea Mahamasina”, hoy ny fanambaran’ny Minisitry ny fanatanjahantena Mamod’Ali Hawel omaly hariva. Nanamafy ny ambarany fa fisiana taratasy nankany amin’ny CAF sokajiany ho gafy nataon’ny Federasionina ny Minisitry ny fanatanjahanatena. Voalaza fa niresaka manokana tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny FIFA kosa ny Fanjakana, ary niafara tamin’ny fandefasana iraka hanao fitsirihana ny kianja, ary izao niafara tamin’ny fankatoavana tanteraka ny kianja. Niova ihany koa ny Fijerin’ny CAF nilaza fa tsy azo hatrehina na “à huis clos” ny lalao, izay nandefa taratasy tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny FMF ny 27 aogositra teo anatrehan’ny fangatahana hisiana mpijery miisa 1500. Nisy mihitsy ny fampitandremana tamin’io, fa hiteraka sazy ny tsy fanajana izany. Niova tanteraka ny resaka 48 ora tsy hanombohan’ny lalao satria nambara omaly ihany koa, fa mpijery 10 000 no eken’ny CAF ho afaka hanatrika ny lalao hotanterahina rahampitso 02 septambra izao. Marihina fa mahazaka 40 000 eo ity kianja ity amin’izao. Mazava izany iny resaka iny, saingy mbola tsy tapitra hatreo kosa ny lonilon’ny Fanjakana sy ny FMF, ary hita taratra io tamin’ny fanambaran’ny manam-pahafena omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap