airtel

Sport

24-mars-2025

Madagasikara≠Ghana

Kihon-dalana lehibe, mila mandresy ny Barea…

Sample post image

Tsotsorimamba hisarahana ny an'ny Barea sy ny Kintana Maintin’i Ghana anio any Maraoka.

24-mars-2025

Izay mandresy eto no mety lasa fa mila mitazona sahala an’i Mali. Raha ilay faharesena tany amin'ny fotoana fanampiny iny no jerena dia tena tokony ho zakan'ny Barea tsara na dia maro aza ireo mpilalaon’i Ghana no any Angletera no misehatra toa an'i Jordan Ayew izay mpanafika Leceister. Fa ny rindrina dia i Thomas Partey ao amin’ny Arsenal. Eo koa anefa I Mohamed Kudis ao amin’ny Whest Ham izay namono ny baolina tokana nanoloana ny Barea. Inoana anefa fa efa hitan'i Corentin Martins ny fomba filalaony. Ny somary olana kely dia tsy mijoro i Rado taorian'ny karatra mavo roa. Io Ilany havia io anefa no tena mahamafy ny Ganeanina satria ao daholo na Kudis na ilay mpilalao ao amin'ny Athletic Bilbao Inaki Williams. Izay alehany na hampijoro an'i Mathieu Acapandie mpilalao ao Nantes izay mbola zandrikely ka mety tsy ahatanty ny rodorodo ataon'ny Black Stars. Rehefa tsy izy anefa dia I Tony Elgeco izay matetika eo ampovoany ny tena voafehiny fa tsy sisiny toa io. Ny vaovao tsara aloha dia tafaverina eo afovoany i Marco Ilaimaharitra hameno ny rindrina voalohany miaraka amin'i Clément Couturier. Rayan sy Arnaud ary Warren Caddy izany no mitarika ny fanafihana miampy an'i Loic Lapoussin izay mety efa tafaverina amin'ny heriny. Raha io aloha no firafitry ny Barea dia antenaina fa ho tsara ny vokatra.
Clément RABARY


Tsy manan-tsafidy, ary tsy dia any amin’ny kajikajy isaky ny lalao intsony ny tena mikaonty, fa mila mitady fandresena hatrany any amin’ny rehetra hatramin’ny andro fahafolo. Amin’izao mialohan’ny lalao fahaenina izao mantsy, mitana ny laharana voalohany amin’ny isa 12 I Ghana, faharoa manana isa 10 isika, fahatelo i Comores manana isa 9, Mali isa 8, Centrafrique isa 4, ary Tchad tsy manana isa fa 0.

 

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap
26-mai-2025

Eo amin’ny laharana faha 4 eo amin’ny fifaninanam-pirenena soisa,

Card image cap
26-mai-2025

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fandresena manolona ny Herta Berlin II i Bolo

Card image cap
LUC
26-mai-2025

Mafy ny niatrehan'i Luc, zazalahy kely manodidina ny 9 taona ny fetin'ny Reny

Card image cap