airtel

Sport

30-mars-2021

Sport

Madagasikara ≠ Niger Hatao izay hibatana fandresena

Sample post image

Kihon-dàlana lehibe ho an’ny kitra Malagasy ny andro anio. Mila mandresy an’i Niger amin’ity andro fahaenina farany ity,

30-mars-2021

na miankina amin’ny voka-dalaon’i Côte d’Ivoire sy Ethiopie aza ny hahatafiakatra antsika. Na inona na inona ho vokatra anio, ka tsy mandresy an’i Ethiopie ny Ivorianina, dia vita hatreo ny amin’i Madagasikara. Andrasana izay ho firafitry ny mpilalao hijoro voalohany. Maro ny mpankafy sy mpanohona maniry ny hijoroan’i Mathyas Randriamamy taorian’ny voka-dalao tany Ethiopie nisiana baolina 4 niditra tamin’i Melvin. “Manana mpanazatra mpiandry harato aho manome torohevitra ahy momba azy ireo. Ekeko fa nampidirana baolina 4 tanaty tifitra 4 i Melvin tamin'ny lalao farany nihaonana tamin'ny Niger saingy tsy afaka tsaraina amin'ny lalao iray izy. Adinontsika sahady ny fanavotana nataony antsika tamin'ny lalao farany tamin'ny Côte d'Ivoire teto Barikadimy”, hoy i Nicolas Dupuis omaly. “Mathyas dia mpilalao andrandraina, saingy mbola tsy ampy lalao avo lenta ihany koa izy. Amin'ny U18 na “reserve” no ilalaovany, raha tsy izany dia mpiandry fahatelo izy ao amin'ny kliobany. Nina dia anisan'ny mpiandry andrandraina harato ihany koa”, hoy izy. Tsy natao hanakianana, fa ampy lalao ve i Melvin? Mpiandry harato fahafiry ao anatin’ny kliobany? Manao ahoana ny lentany fifaninana misy azy? Ankoatra izay, nanampy tao amin'ny fiainan'ny vondron'ny mpilalao sy ny fanentanana i Faneva Ima. Mbola tsy fantatro hoe iza ny lohalaharana hajoro rahampitso. Manana safidy telo aho dia i Faneva, i Alex izay tena mampiseho zavatra tsara amin'ny fanazarantena, ary i Carolus izay efa naka io toerana io tamin'ny lalao nifandonana tamin'i Niger tany Niamey, hoy I Nicolas Dupuis. Hojerena raha tomombana tsara i Rayan amin'ny fanazarantena ka afaka hajoro na tsia. Fa amin'izao dia tompon-toerana 4 sisa no tsy miaraka amintsika. Nambarany fa isa 10 toy ny tamin'ny fifanintsanana CAN 2019 no henjehintsika.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap