airtel

Sport

22-mars-2021

Sport

Madagasikara≠Niger Mpijery 1500 no afaka hanatrika

Sample post image

Mpijery miisa 1500 no afaka hanatrika ny lalao hihaonan'ny Barea sy ny ekipan'i Niger any Toamasina ny 30 martsa,

22-mars-2021

 

 

 araka ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny fanatanjahantena omaly. Arakaraka ny fivoaran'ny zava-misy anefa izany, fa izay aloha ny vokatra azo noho ny fisiana fifandresen-dahatra niarahana tamin'ny CAF. Nasiana fanatsarana isan-karazany ny Kianja, ka anisan'izany ny fametahana ireo seza fipetrahana izay anisan'ny takian'ny CAF. Mahakasika ny mpijery indray, mba ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana dia voafetra amin’io 1.500 io. Etsy ankilan'izany dia nisaotra ny fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny fanatanjahantena ny mpanazatra nandritra satria tsy nandry andro tsy nandry alina izy ireo amin'izao fanomanana izao, hoy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis. Anisany nampisafotofoto ny sain'ny malagasy ny mahakasika ny tsy fahafahan'ireo mpilalao sasany ho avy hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Barea noho ny antony avy amin'ny klioba izay tsy namela azy ireo, saingy nampahafantarina ny fahafahan’ny ankamaroan’ny mpilalao tamin’ny ora farany.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap