airtel

Sport

29-janv-2021

Sport

Mahajanga Hamboarina ny “gymnase”

Sample post image

Nivory tao amin'ny Résidence Mahajanga Be momba ny fanamboarana ny

29-janv-2021

 

 

 

Gymnase ao Mahajanga ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny Filoha lefitry Antenimieram-pirenena Rahantanirina Lalao sy ny Mpanolotsaina manokan'ny Filohan'ny Repoblika, Atoa Ravatomanga Mamy ary ny governoran'ny Faritra Boeny Atoa Mokhtar Salim Andriatomanga, hoy ny fampitam-baovao. Tapaka nandritra ny fivoriana io fa tsy ho kitihina ny kianja Rabemananjara fa hatsaraina ka hatao akaiky eo ihany ny kianja filalaovana tennis manara-penitra manamorona ny làlana misy "trois courts" ho an'ny Tennis Club de Mahajanga. Isan’ny resaka nandeha tamin’ny famindrana ny Kianjan’ny Tennis moa ny hoe lasana mpandraharaha matanjaka ny toerana. Miroso amin'ny fanamboarana ny Kianja mitafo izay hanomboka amin'ny herinandro ambony ka ho hafainganina ny fanamboarana ary ho afaka handray an'ireo taranja sasany amin'ny lalaon'ny Nosy andiany faha -11 amin'ny taona 2023 ny faritra Boeny, hoy hatrany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tsara ny mampatsiahy, fa efa ela no nandrodanan’ny Fanjakana ankehitriny ny “Gymnase”, ary izao vao handeha izany ny fananganana. Nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny dobo filomanosana olympika ao Ampisikina ihany koa ireto delegasiona ireto. Nambara fa raha ny vinavina dia ho vita amin’ny volana Septambra ny asa. Noho ny fisian’io dobo filomanosana, dia afaka hifaninana tsara amin’ny any ivelany amin’izay ny zanaka Malagasy satria afaka manao fanazarantena mandavan-taona, hoy i Tinoka Roberto. Nifarana teny amin’ny Quai orange ny fitsidihana izay nijerena ny fizotry ny asa fandrakofana “pavé” iny faritra iny, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap