airtel

Sport

07-juin-2021

Sport

Mahitsy Nahazo kianja filalaovam-baolina manara-penitra

Sample post image

"Vita hatreo ny baolina ambony vovoka. Toraka izany koa ny baolina an-tanimbary ho an'ny tanoran'i Mahitsy",

07-juin-2021

 

 

 

hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha nitokana ny Kianja manara-penitra ao amin'ny kaominina ambnivohitra ny tenany omaly Alahady 06 Jona. Efa fampanantenana nataon'ny Filoha ho an'ny tanora tao an-toerana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ity foto-drafitrasa notokanany omaly ity. Naparotaka manerana ny faritra rehetra mihitsy ny kianja manara-penitra tahaka izao mba hitovy zo ny tanora Malagasy rehetra fa tsy hitangorona eto an-drenivohitra ireo foto-drafitrasa. Miisa 33 ireo kianja manara-penitra efa an-dalam-panamboarana ankehitriny raha 31 hafa kosa no hatomboka amin'ity taona 2021 ity. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambaran'ny Filoha Andry Rajoelina ny fananganana ny "Académie Nationale des Sports de Haut Niveau". Hahazo foto-drafitrasa avo lenta ireo tanora voafantina avy amina taranja samihafa ary hampiofanina mba ho atleta matihanina. "Ny fanaovana fanatanjahantena dia mivoy ny soa toavin'ny mpandresy sy ho tia fikirizana, ny fifehezan-tena, ny firaisan-kina, ny fikatsahana ny tsara kokoa hatrany ho an'ny taranaka ", hoy ny filoha Andry Rajoelina. Anisan'ny hahazo fiofanana ao amin'ity Académie ity ihany koa ireo tanora izay handrafitra ny ekipan'ny Barea any aoriana. Nisantatra voalohany ity Kianja manara-penitra ity moa ireo tanora 14 - 15 taona izay handray anjara amin'ny fifantenana amin'ny fandrafetana ireo Barea zandriny. Naseho omaly ihany koa ireo Barea zokiny izay hiatrika fampivondronana eto an-toerana ato ho ato.

 Nangonin’i Pati

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap