airtel

Sport

18-sept-2026

Marary i Maitre Kira

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

Sample post image

Marary i Maitre Kira, kintan’ny

18-sept-2026

baolina kitra malagasy fahiny ary efa niaro ny voninahi-pirenena ihany koa, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Mangataka tolo-tanana amintsika mpanao baolina kitra sy ny vahoaka malagasy rehetra, hoy ny antson’ny namany sy akaiky azy, ka hanome izay fointsika mba hanampiana azy. Ny laharana ahazoana azy dia ny 0341864064. Nanandratra ambony ny voninahitry i Madagasikara I Kira Michel, fantatra teo amin’ny tontolon’ny kitra malagasy tamin’ny fiantsoana hoe Maitre Kira. Namangy azy tao an-tranony aho ary nahazo fankatoavana tamin’ny vadiny mba hanao izao antso tolo-tanana izao, hoy ny namany, Gaby Vakiniadiana. Nomarihiny moa fa io laharana voalaza teo io ihany koa no afaka mandray ny fanampiana ara-bola amin’ny fitsaboana ity kintana ity amin’ny alalan’ny MVola, raha ny fanazavàna voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique