airtel

Sport

29-avril-2025

Mathias M’Madi

Miketrika mafy ho mpilalao anatin’ny NBA

Sample post image

vonona i Mathias M’Madi ! Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ity tanora mpilalaon’ny Ankoay

29-avril-2025

ity fa hiditra amin’ny fifantenana ho mpilalao matihanina ao amin’ny NBA na « draft NBA » amin’ity taona ity. Nofiny hatramin’izay ny ho isan’ireo mpilalao ao anatin’io ligy matihanina amerikanina io, ary manantena izy fa hahazo toerana ao mba hanohy ny maha mpilalao basikety amin’ny sehatra ambony indrindra. Hatramin’ny nialany tao amin’ny Elan Chalon tany Frantsa tamin'ny 2023, NBA no hany nofinofinofiny sy tanjony. Taorian'ny fandraisany anjara tamin'ny fiadiana ny Tompondaka Eran-tany U19 tamin'ny 2023 izay nahavoahosotra azy ho mpamono baolina be indrindra mantsy, dia nifindra tany Etazonia i Mathias M’Madi mba hitady làlana hidirana haingana amin'ny NBA. Nifidy ny hiverina tany Eoropa indray anefa avy eo, ka niaraka tamin’ny CB Morón, klioba divizionina faharoa any Espaina, hanohy ny fivoarany. Ankehitriny, taorian'ny taom-pilalaovana iray, dia nanao fanambarana fa handao an'i CB Morón sy hiverina any Etazonia izy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tontosa soa aman-tsara ny "Tournoi inter-écoles de foot" ho an'ny sokajy U14 nokarakarain’ny AJESAIA

Card image cap