airtel

Sport

20-oct-2026

Mathieu Andrianjafy

na Zaza Maditra

Sample post image

Mifarana ny fanaovako Rallye eto,

20-oct-2026

diso fanantenana aho ! »
Nilaza ny hijanona tsy hanao rallye eto Madagasikara intsony i Mathieu Andrianjafy na i Zaza Maditra, raha ny ranty navoakany omaly alatsinainy 19 oktobra 2026. Naneho ny fahadisoam-panantenany manoloana ny zava-misy iainana ao anatin’ny tontolon’ny hazakazaka fiarakodia izy. Nandritra ny taona maro dia nanokana fotoana sy ezaka ary loharanom-bola maro ho an’ity fanatanjahantena ity izy noho ny fitiavany azy. Araka ny nambarany, anefa, misy toe-javatra sy olana sasantsasany izay heveriny fa efa nihoatra ny fetra zakaina ka nahatonga azy handinika lalina ny hoaviny ao anatin’ity taranja ity. “Taorian’ny taona maro natokana ho an’ny fanatanjahantena, ny sorona natao ary ny fampiasam-bola goavana nampidirina, dia tena diso fanantenana aho amin’ny fizotry ny taranja amin’izao fotoana izao. Mitaky zavatra maro amin’ny mpanamory ny rallye, ka ara-drariny raha manantena tontolo matotra sy manaja ny ezaka ataonay izahay”, hoy i Mathieu Andrianjafy. Nambarany fa tena diso fanantenana izy noho ny fivoaran’ny taranja, indrindra manoloana ny tsy fahampian’ny fahamatorana amin’ny fitantanana, ny mangarahara ary ny rariny ilain’ny mpifaninana rehetra. Tsy tena nohazavainy antsipirihany anefa na izany aza ireo pitsopitsony. Tsiahivina fa nibata ny anaram-boninahitra nasionaly in'enina i Zaza Maditra: 2007, 2013, 2022, 2023, 2024 ary 2025. Isan’ireo mpanamory namela dian-tanana lehibe teo amin’ity taranja ity. Miaraka amin’izao fanapahan-kevitra izao, nambarany fa amidy ihany koa ilay fiara Subaru Impreza N11 nahafantarana azy nandritra ireo taom-pifaninanana farany, fiara izay nitondra azy tamina fandresena sy anaram-boninahitra maro. Mariky ny fiafaran’ny vanim-potoana iray eo amin’ny rallye malagasy izany, satria i Mathieu Andrianjafy dia anisan’ireo kalaza sy nampiavaka ny fifaninanana nandritra ny taona maro. Araka ny fanazavany, tsy fanapahan-kevitra tampotampoka akory izao fialana izao fa efa nodinihina lalina. “Nodinihina lalina ity fanapahan-kevitra ity. Mbola eo ny finiavana sy ny fitiavana ny rallye, saingy tsy hitako intsony ny tenako ao anatin’ny fomba fiasan’ny rallye malagasy ankehitriny. Hotahiriziko mandrakizay ireo anaram-boninahitra, ireo fandresena ary ireo fahatsiarovana tsara rehetra. Ho ahy dia mifarana eto ny pejy iray lehibe teo amin’ny fiainako”, hoy izy namarana ny teniny. Hamela banga lehibe eo amin’ny tontolon’ny rallye malagasy ny fisintahany satria isan’ireo mpanamory nahazo ny fitokisan’ny mpankafy sy nandrafitra ny tantaran’ity taranja ity i Mathieu Andrianjafy. Mety hanokatra sy hanome endrika hafa ny fifaninanana mangotraka ho an'ireo hafa ihany koa anefa…
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-oct-2026

nasionaly eny Carion

Card image cap