airtel

Sport

28-janv-2026

Mathyas Randriamamy

Mbola manana fotoana ahafahana mivoatra be

Sample post image

Azo lazaina ho nampiseho

28-janv-2026

indray ny fahaiza-manaony i Mathyas Randriamamy, ilay mpiandry tsatoby malagasy, 22 taona, ny alahady lasa teo nandritry ny fifaninanana 3rd Division any Emirates Arabe Unis, raha ny fampitàm-baovao voaray. Lalao nifandonan’ny Circle The Foot sy Dragon City FC izay nampiantrano izy io. Nahavita nanakana penalty miisa 2 be izao ny tovolahy ary nanavotra baolina maro nandritra ny lalao. Nanampy tamin’ny fandresen’ny ekipany tamin’ny isa 2 noho 0 izany rehetra izany. «Clean sheet» na hoe lalao tsy misy tomika faharoa ho azy izany tamin’ity fifaninanana ity. Efa inoana ihany koa fa azony tanteraka ny toeran’ny mpiandry tsatoby laharana voalohany ao amin’ny «The Football Circle» na ny fandaharana ireo mpiandry tsatoby mahay indrindra ao anatin’ity fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina fahatelo eo amin’ny taranja baolina kitra ao an-toerana ity ary hita ho tompon-toerana hatrany i Mathyas tato anatin’ny lalao maromaro efa vita, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Irariana ny hisondrotan’ity pepita niainga tao amin’ny Paris Saint Germain na PSG, izay divizionina voalohany sangany frantsay teo aloha ity ho amina klioba manana ny maha izy azy kokoa hahafahany mampivoatra ny talentany hatrany, araka izany. Mbola manana fotoana ahafahana mivoatra be izy, araka izany, raha ny hita hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Misy komity milaza hikarakara fifidianana

Card image cap