an’ilay mpiandry tsatoby malagasy, Mathyas Todisoa François Randriamamy na Mathyas Randriamamy, raha ny fampitam-baovao voaray farany momba ity mpilalao baolina kitra 22 taona ity. Nifindra any Irlandy, ao amin’ny Kerry FC, laharana faharoa eo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa ao an-toerana amin’izao fotoana izao, ny tovolahy rehefa avy tao amin’ny Ermis Aradippou, divizionina fahatelo ao Chypre. Inoana sy antenaina, araka izany, fa hifaninana ao amin’ny divizionina voalohany ao an-toerana indray izy amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Iriana indrindra ihany koa ny mba hahazoan’izy ireo ny tompondakan’i Irlandy eo amin’izay fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa izay mba ho azo antoko kokoa ny hahatafitàn’izy ireo any amin’ny divizionina voalohany. Mirary soa ho an’i Mathyas manokana isika!
Nangonin’i J. Mirija