an’ilay mpiandry tsatoby malagasy, Mathyas Todisoa François Randriamamy na Mathyas Randriamamy, raha ny fampitam-baovao voaray farany momba ity mpilalao baolina kitra 22 taona ity. Nifindra any Irlandy, ao amin’ny Kerry FC, laharana faharoa eo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa ao an-toerana amin’izao fotoana izao, ny tovolahy rehefa avy tao amin’ny Ermis Aradippou, divizionina fahatelo ao Chypre. Inoana sy antenaina, araka izany, fa hifaninana ao amin’ny divizionina voalohany ao an-toerana indray izy amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Iriana indrindra ihany koa ny mba hahazoan’izy ireo ny tompondakan’i Irlandy eo amin’izay fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa izay mba ho azo antoko kokoa ny hahatafitàn’izy ireo any amin’ny divizionina voalohany. Mirary soa ho an’i Mathyas manokana isika!
Nangonin’i J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny