airtel

Sport

03-mai-2022

Sport

Mathyas Randriamamy Naneho ny alahelony tamin’ny fahalasan’i Raiola

Sample post image

Nodimandry ny sabotsy teo teo amin’ny faha 55 taonany ilay mpisera mpilalao baolina kitra na “agent de joueur” isany sangany maneran-tany, Carmine Raiola, fantatra amin’ny hoe Mino Raiola.

03-mai-2022

Maro ireo mpilalao kitra sangany iraisampirenena nitadiavany lalana tao anatin’ity asany ity. Isany ilay holandey, Matthijs de Ligt, ilay Norvezianina, Erling Haaland, ilay Soedoa, Zlatan Ibrahimović, ireo Italianina, Marco Verratti, Moise Kean ary Mario Balotelli, ilay Aramenianina, Henrikh Mkhitaryan, ireo frantsay Paul Pogba sy Blaise Matuidi ary ilay tsekoslovaky, Pavel Nedvěd. Mahay tenim-pirenena miisa 7 izy dia ny italianina, anglisy, alemanina, espaniolina, frantsay, portogey, holandey. Naneho ny alahelony tamin’ny fahalasanan’ity oloben’ny tontolon’ny baolina kitra iraisampirenena ity ihany koa ny mpilalao Malagasy vao erotrerony eo amin’ny fiandrasana tsatoby, Mathyas Randriamamy, izay isany nampiany sy niara-niriaria taminy. Mankasitraka ny maha olobe anao, hoy i Mathyas. Niady ho an’ny anaranay ianao. Olobe filamatra no nandao anay mandrakizay anio. Tsy ho adinoko mandrakizay ny torohevitrao sy ny fampaherezanao, hoy hatrany I Mathyas.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique