airtel

Sport

11-mars-2022

Sport

Mboazafy Noé Rakotoarivelo na Razily “Tokony ovaina toy io Kianja Barea io ny Kianja Makis”

Sample post image

Tsy nitotongana ny Rugby Malagasy ary tsy haiko na odiantsika tsy fantatra fa tompondakan’i Afrika ny taona 2019 ny Makis U20,

11-mars-2022

 hoy ny mpilalaon’ny ekipam-pirenena Malagasy teo aloha, Mboazafy Noé Rakotoarivelo na Razily, izay efa isan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekolin’ny Rugby sy mpanazatra ny Makis U20 ankehitriny. Tompondaka lefitra ny U20 Makis 1A ny taona 2021, hoy izy. Tsy aiko na mody odian-tsy fantatra izany na tsy misy mpampahafantatra fa ny Barea moa no hoe niroborobo. Mbola manana vokatra na palmaresy tsara hatreto ny Malagasy Rugby. Mivoaka avy ao amin’ny sekolin’ny Rugby daholo ny 90%n’ireo ankizy ireo no lasa ekipam-pirenena. Iaraha-mahalala ny hamehana ara-pahasalamana. Ny taona 2020 moa tsy nisy fifaninanana mihitsy. 2021 isika no niverina nefa mbola faharoa isika tamin’ny U20. Zava-dehibe izany amiko. Tsy tokony hisy hanavahana rehefa resaka fanatanjahantena. Tokony hampitoviana ny fitantanana rehetra. Isaorana ny nanomezana ny kianja Makis. Manantena izahay fa ho atao toy ny Kianja Barea koa io Kianja Makis io fa raha ny rariny sy hitsiny izao hoe andeha ny famaranan’ny Top 20 ireo dia mba tokony hahazo kianja Makis koa izahay. Tokony ovaina toy io Kianja Barea io ny Kianja Makis, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap