airtel

Sport

01-sept-2021

Sport

Ministeran’ny fanatanjahantena Nanampy trotraka ny vava be nataon’ny Filoha

Sample post image

Taorian’ny Filoham-pirenena, nanenjika mafy ny FMF ihany koa ny Ministeran’ny fanatanjahantena omaly tamin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra.

01-sept-2021

Nambara fa nanomboka ny taona 2019 dia malagasy an-tapitrisany no niray fo tamin’ny Barea Madagasikara, niara-niredona ny “ALEFA BAREA”. An’ny malagasy rehetra ny Barea sy ny fitiavana baolina kitra. Tsy ekena noho izany ny fanaovana “takalon’aina” ny baolina kitra ho entina miaro ny tombotsoan’olona iray manokana. “Niaraha-nahita fa raha tsy nijoro ny Fitondram-panjakana dia tsy nisy zava-banona ny fikarakarana ny Barea Madagasikara niatrika ireo lalao iraisam-pirenena maro. Tsy fandraisana andraikitra, tandrevaka, sakatsakana samihafa, fikorontanana ara-pitantanana no hita sy tsapa teo anivon’ny fitantanana ny Baolina kitra malagasy. Hatramin’izao ora izao dia mbola tsy hita faritra mazava ny fanomanana ny lalao sy ny fitaterana ny Barea amin’ny fihaonana amin’ny Ekipam-pirenena Tanzaniana izay hotanterahina amin’ny 07 septambra 2021 ho avy izao”, hoy io fanambarana io. Melohinay araka izany ireo fihetsika manimba sy manapotika ny baolina kitra izay voalaza etsy ambony ireo. Na eo aza anefa izany rehetra izany; noho ny fitiavana lalim-paka ny baolina kitra izay nampiray sy nampijoro antsika hatrimizay dia miantso fitoniana sy firaisan-kina ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ho fanohanana ny ekipantsika. Ny Fitondram-panjakana dia vonona mandrakariva hanandratra avo ny voninahim-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, hoy ny Minisitera, izay Atoa Mamod’Ali Hawel no no minisitra sy tompon’andraikitra voalohany. Tsy efa mba ampy ve ny fandrahonana nataon’ny Filoha? Mitondra vahaolana sy manatsara zavatra ve ny fivoizana sy fanenjehana ranolava toy izany fa tsy ny vahaolana no tadiavina raha tena misy ny finiavana sy fitiavana? Asa hoe toy izany mihitsy ve no toe-tsaina ho an’ny olona tompon’andraikitra eto ka tsy afaka ny hanana fanetren-tena, mijery izay marimaritra iraisana, mitondra izay anjara biriky sy vahaolana araka izay azo atao, fa tsy maintsy mitady izay hanilihana, tsy maintsy mitady izay fomba hamotehana ireo tsy mitovy hevitra sy firehana politika. Ny mpitondra sy manam-pahefana izany, dia tokony ho fitaratra sy afaka mampiombona amin’ny zava-drehetra, fa tsy vao mainka handraraka solika amin’ny afo efa mirehitra. Ao anatin’ny fotoana tokony hivoizana firain-kiana sy fiombonana tahaka izao ve no mbola handrehetana afo sy hanaovana serasera fananganam-pahavalo? Sa fahafinaretana mihitsy ilay tsy maintsy manandratena hoe: izay Andriamanitra latsaka an-tany tamin’ny fanandratana ny kitra fa iretsy demony mila hombohana ka tsy maintsy hopotehinay ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap