tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Sport

Mirado Rakotoharimalala « Nizaka ary niaritra ny mafy ny Barea CHAN »

Nizaka ary niaritra ny mafy ireo mpilalaontsika ireo, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,

27-janv-2023

Sample post image

naneho ny heviny mikasika ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea miatrika CHAN any Alzeria amin’izao fotoana izao. Tao ny latsa, ny ozona, ny fanambaniana, ny ompa, ny fiandrasana an-kendritohana sy ny fanaratsiana isan-karazany, hoy izy. Ekipam-pirenena izy ireo. Tokony fitaratry ny firenena ny fepetra iainan'izy ireo saingy rehefa tsy nandeha ny rano tany Carion nandritry ny fampivondronana dia nankany an-doharano nisasa sy nanasa lamba. Niaritra ary nanetry tena. Tsy nahita ary tsy nifety tamin'ny vady aman-janaka sy namana izy ireo tamin'ny noely sy faran'ny taona 2022. Nahazo teny mafy sy mandratra avy tamin'ireo mpiray tanindrazana sasany izy ireo toy ny hoe mpanao “vacances”, resy lava, tsy mamono baolina, mpandany vola, tsy mahay na inona na inona, sy ny sisa... Namaly teo ambony kianja kosa anefa ny mpilalao. Ankehitriny dia anisan'ny mampiseho rindran-dalao tsara indrindra ny malagasy any Alzeria mandritry ny CHAN 2022. Nandresy hatrany. Anisan'ny tsara fiarovana ary anisan'ny ekipa mpampidi-baolina be indrindra. Talanjona ny mpamakafaka sy mpijery baolina vahiny. Mbola mitohy ny dian'izy ireo ao amin'ny fifaninanana. Asa sy ezaka ary fitsipika tao anaty fanetren-tena no fanalahidy ary ny fahombiazan’izy ireo dia ho an’I Madagasikara. Ireo ny zoky, zandry, rahalahy, anadahy, zanaka, mpiray tanàna, havana ary namantsika. Maherifo! Tsy nangataka na inona na inona tamintsika izy ireo afa-tsy ny fanohanana. Raha misy adidy kely avy amintsika dia ny fanohanana sy fankaherezana amin'ny lalao ambiny ho tanterahin'izy ireo. Isaorana foana isika izay efa teo foana ho azy ireo hatry ny ela ary tsy mitsahatra manohana ireo mpilalaontsika sy “staff” hatramin'izao. Mitaona ny rehetra kosa hiara-iombona amin'izy ireo hatrany. Ireo ny antsika, mitsiky foana zalahy na anaty ady sarotra aza. Mitondra tsiky sy rehareha ho antsika malagasy amin'izao hirifirin'ny fiainana izao. Misaotra zalahy! Am-panajana feno, hoy hatrany ity mpamakafaka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Nicolas Dupuis Mbola miezaka miaro tena hatrany
27-mars-2023

Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.

Card image cap
Semi marathon Nanjakan'i Fulgence
27-mars-2023

Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.

Card image cap
Tsipy Kanetibe Nodimandry teo amin'ny faha 86 taonany i Davily
27-mars-2023

Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.

Card image cap
Baolina kitra- CAN 2023 Resy 3 noho 0 ny Barea !
24-mars-2023

Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.

Card image cap
Fifanitsanan’ny CAN 2023 Efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025
24-mars-2023

Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,

Voir plus