airtel

Sport

03-mai-2022

Sport

Mirado Rakotoharimalala “Tadidio fa bonus ihany ny baolina kitra”

Sample post image

Afaka 1 volana katroka, izany hoe ny 30 may 2022, dia hiditra amin'ny “fenêtre FIFA” isika, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala, ny sabotsy teo,

03-mai-2022

ka hiroso amin'ny fifampivondronana ny mpilalao. Somary lava tsy toy ny mahazatra io “fenêtre FIFA” io, hoy izy, ary heverina fa mety hisy ny fotoana hahafahana manao lalaom-pirahalahiana iray. Ny ankamaroan'ny ekipa afrikanina hilalao ny “Mondial Qatar 2022” dia mitady fotoana sy mpifanandrina hanaovana lalaom-pirahalahiana ankoatry ny lalao miisa 2 amin'ny fifanintsanana CAN 2023. Manana ny tompon’andraikitra isika afaka mijery akaiky izay teboka izay raha toa ka ilaina moa, mazava ho azy, izany lalao fanomanana mialoha izany. Fa mandra-piandry izany rehetra izany dia aleo aloha samy hiatrika ny fiainany, ny andraikiny ary ny adidiny avy. Tadidio fa ny baolina kitra dia “bonus” ihany fa ny tena fiainana dia mila atrehina hatrany, hoy hatrany ny tenany, hita ho toa kivy ambony ihany sady nanome ny fantsiny tamin’ny sarinteny isan-karazany i Mirado.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
26-mars-2024

Vokatra no ilaina. Efa zava-dehibe ny nahazoana ireny lalao ara-pirahalahiana

Card image cap