airtel

Sport

25-mars-2021

Sport

Montsan’i Antilope 4-0 ny Barea Miha sarotra ny hiakarana CAN 2022

Sample post image

Montsan’ny Antilope Etiopianina tamin’ny isa mavesatra 4-0 ny Barean’i Madagasikara omaly tao amin’ny Kianjan’i Bahir Dar any Ethiopie,

25-mars-2021

 

 

 teo amin’ny andro faha-5 amin’ny fifanintsanana hiakarana any amin’ny CAN 2022 hatao any Kameronina. Isika Malagasy no saika nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-6 tamin’ny alalan’i Voavy Paulin, saingy mbola nisy zanaharim-baolina nanavotra ny mpiandro harato Etiopianina. Nanjakan’izy ireo ny lalao avy eo, ka teo amin’ny minitra faha-19 tamin’ny alalan’i Gebremichael, nampian’i Gataneh Kebede kapitin’ny Antilopes tamin’ny alalan’ny « coup francs » tsara petraka teo amin’ny minitra faha-34, ary namarana ny baolina maty ho an’ny fidirana voalohany i Aboubakar Nassir teo amin’ny minitra faha-41, tamin’ny alalan’ny valim-panafihana tsara rindra. Hita ho nisy lesoka be tao afovoan-kianja. Na somary niova aza ny endri-dalaon’ny Barea tamin’ny fizaram-potoana faharoa, ka isan’ny nanao izay ho afany i Metanire tamin’ny fitondrana fanafihana avy any amin’ny sisiny havanana, dia tsy afaka nampihena ny elanelan’isa ny Barea. Mbola ry zareo Etiopianina no nampiditra baolina tany amin’ny minitra faha-85. Maro ny lesoka ho antsika nanomboka tany amin’ny olana samihafa nandritra ny famondronana, raha toa ka efa 4 volana no niomana sy namondrona ny mpilalaony tsy misy mpila ravinahitra afatsy iray ny Etiopianina. Nahavita lalao ara-pirahalahiana toy ny tamin’I Malawi, izay nandresen’izy ireo 4-0.

 HIFAMPIANKINA NY LALAO AMIN’NY ANDRO FARANY

Hatreto, mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny Vondrona K i Ethiopie izay manana isa 9, faharoa i Côte d’Ivoire manana isa 7, fahatelo isika manana isa 7, ary faha-4 I Niger. Miankina betsaka amin’ny lalaon’i Niger sy Côte d’Ivoire rahampitso 26 martsa sy ny an’i Côte d’Ivoire sy Ethiopie amin’ny 30 martsa ny ho avin’I Madagasikara. Tsy maintsy mandresy an’i Niger isika ny 30 martsa, raha te hanana herijika. Ny tsara indrindra amintsika, dia resin’i Niger i Côte d’Ivoire , ary mandresy an’i Ethiopie ny Ivorianina, fa mila mandresy an’i Niger kosa isika. Raha izay no fipetrany, dia hanana isa 10 avy i Madagasikara sy Côte d’Ivoire, 9 Ethiopie, 6 Niger. Raha maharesy an’i Niger i Côte d’Ivoire rahampitso, dia manana isa 10 ary naman’ny tafiakatra, ka tsy mety dia hiraharaha firy ny fifanandrinana amin’I Ethiopie. Ny ratsy indrindra ho antsika dia ny fandresen’i Ethiopie an’i Côte d’Ivoire, kanefa i Côte d’Ivoire mandresy an’i Niger. Raha izay no fipetrany hanana isa 12 i Ethiopie, samy hanana isa 10 isika sy ny Ivorianina, saingy manatombo izy noho ny fandreseny antsika tamin’ny lalao mivantana na ny “Confrontation directe”. Na ho inona na ho inona voka-dalaon’i Niger sy Côte d’Ivoire ka mandresy an’i Ethiopie ny Ivorianina, ary resintsika i Niger dia tafiakatra foana isika satria tsy hiova amin’ny isa 9 ny an’i Ethiopie, ary miakatra 10 isika. Mirary soa ny Barea hatrany, ary inoana fa ahafahana manatsoaka lesona sy hanarenana ny tsy mety ny tsy fahombiazana omaly.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap