airtel

Sport

31-août-2021

Sport

Mpanazatra Eric Rabe “Banga an’i Morel sy Marco isika, saingy ambony ny moraly”

Sample post image

Nigadona teto an-tanindrazana omaly ireo andiany voalohany tamin’ny Mpilalaon’ny Barea notarihin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana.

31-août-2021

 Saika efa tonga ny ankamaroany, na mbola misy aza ny andrasana. Na mbola misy aza ireo mpilalao andrasana, dia nilaza kosa ny mpanazatra fa tsy ho isan’ireo ho avy hiatrika ireo lalao miisa roa hifanandrinana amin’I Bénin amin’ny alakamisy 2 septambra etsy Mahamasina sy any Dar Es Salaam hifandonana amin’ny Tanzanie ny talata 7 septambra ireo mpilalao roa izay isan’ny tena andrin’ny ekipam-pirenena, dia I Jeremy Morel izay vodilaharana sy Marco Ilaimaharitra izay tena manana ny toerany eo afovoan-kianja. Noho ny ratra mahazo azy ireo no antony, ka manaraka fitsaboana any Eoropa izy ireo ankehitriny. Tena fahabangana be ny tsy fahafahan’izy mirahalahy, hoy ny mpanazatra Eric Rabesandrantana, saingy nambarany ihany koa fa mametraka fanantenana feno sy mahatoky ny mpilalao tonga ny tenany. Isan’ireo mpilalao mbola tsy tonga I Romain Métanire, Rayan Raveloson, Fabrice, Dax, Bapasy, Mamy Gérvais, Carolus,… izay irariana mba ho tonga avokoa na mety misy aza ny olana toy ny fitaterana. Efa eto kosa ry Melvin, Mathyas, Fontaine, Caloin, Sylvio Oaussiero, Mombiris, Lapoussin, Anicet, Dafé, Bastien, Zotsara, Paulin, Hakim, Ramalingom, Njiva, miampy an’ireo mpilalao avy eto an-toerana dia ry Tsiry, Tsito, El Hadary, Lalaina, Nina,… Etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano moa no mivondrona sy mipetraka amin’izao fiatrehany ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” any Qatar izao. Omaly tolakandro dia efa nanao fanazaran-tena sy ny nitsapa kianja tetsy Mahamasina ny Barea, ary ry zalahy ireo no nisantatra voalohany ny bozaka vaovao taorian’ny fahavitany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap