airtel

Sport

16-sept-2021

Sport

Mpanazatra Eric Rabesandratana “Tsisy fahombiazana azo ao anaty savorovoro”

Sample post image

Nandefa hafatra sy fanentanana handravonana ny disadisa eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy ny mpanazatra ny Barean’I Madagasikara Eric Rabenandrasana omaly.

16-sept-2021

 Hita, hoy izy, ny zava-misy eo amin’ny ligy, ka miantso ny rehetra voakasika mba haneho porofo tena maneho fizorana any amin’ny soa ho an’ny kitra Malagasy. Raha tsiahivina dia nisy ny fanambarana ny 12 septambra teo nataon’ireo ligy, fa manome 07 andro ho an'ny komity mpanatanteraka eo anivon'ny FMF ireo filohan'ny ligy miisa 15, manoloana ireo olana maro mianjady amin'ity taranja ity, ka nangatahan'izy ireo ny hanatontosana fivoriam-be na "Assemblée Générale" ary hanoloran'ny FMF daty mazava hanatanterahana izany. Raha tsy misy ny fihainoan'ny FMF ny fangataha'ireo ligy ireo, vonona ny hiakatra amin'ny dingana manaraka izy ireo ka, handefa taratasy any amin'ny FIFA ho fanesorana ny filohan'ny FMF sy ireo komity mpanatanteraka. « Azontsika tsara ny fitakian’ny andaniny sy ny ankilany, kanefa ampahatsiahivina fa ny kitra Malagasy dia mila filaminana sy fitoniana mba ahatrarana ny tanjona izay apetraky ny Filohan’ny Federasionina Raoul Romain Rabekoto », hoy ny mpanazatra Eric Rabesandratana. Naneho fisaorana tamin’ny tohana rehetra nataon’ny FMF indrindra fa ny Filohany tamin’ny fitokisana natolotra azy ireo ity mpanazatra ity. Naneho izy fa mbola lava ny làlana, ary tsy mora mba ahafahana mampiaina indray ny fotoana nahafinaritra tany aloha. Ny fiaraha-mientana no ahafahana mahazo fahombiazana sy ho avy tsara kokoa, ary ny tombotsoan’ny kitra Malagasy no jerena, izay mitambatra vato izay misaraka fasika. Alefa barea ! », hoy io mpanazatra ny ekipam-pirenena io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap