airtel

Sport

24-août-2021

Sport

Mpanazatra ny Barea Andrasana ho tonga ny faran’ity herinandro ity

Sample post image

Andrasana ny faran’ity herinandro ity ihany koa ny fahatongavan'ireo mpanazatra 4 mirahalahy hitarika ny Barean’i Madagasikara mialoha sy mandritry ny fiatrehana ny lalao hiadiana

24-août-2021

 ny tapakilan’ny tompondaka eran-tany hatao any Qatar izay hisantaran’ny ekipam-pirenena Malagasy ny andro voalohany amin’ny fihaonana amin’i Benin etsy Mahamasina ny 2 septambra izao. Efa tomombana avokoa ny fandraisana sy fanomanana ireo lalao, indrindra fa io ho tontosaina etsy amin’ny Kianja Barea ny harivan'ny 2 septambra amin'ny 7 ora hariva io, hoy ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra. Tsy mbola nandrenesam-peo mikasika ny mety ho fiovana misy amin’r’ireo mpilalao nantsoiny moa ny mpanazatra voalohan’ny Barea, Eric Rabesandratana, hatreto. Ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny FMF hatrany kosa no nahafantarana fa tsy dia misy fiovana firy nihoatra ny teo aloha ireo mpilalao nantsoina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap