Miisa 5 no tafakatra ekipam-pirenena izahay, hoy izy ireo. Manana tompondaka lefitra miisa 2 izahay ankehitriny. Reharehan’I Madagasikara izany satria manana atleta hiatrika ny tompondakan’I Madagasikara sy ny tompondaka eran-tany any Italia ary ny tompondakan’I Afrika any Guinée Bissau isika amin’ny volana may. Manao antsoavo amin’ny minisitry ny fanatanjahantena izahay mba hijery akaiky ity taranja ity fa isan’ny manana ny maha izy azy eto amintsika. Antsoina amin’izany koa ny tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena na ny filoham-pirenena na minisitra hafa, indrindra, ny federasionina, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija