tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Mpilalao Malagasy Mahasarika ny alzerianina

Nandritry ny 8 taona be izao ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ankehitriny na Barea A, Ibrahim Amada,

02-févr-2023

Sample post image

no nofikirin-drizareo alzerianina. Nanomboka izany izy teo amin’ny faha 21 taonany rehefa novidian’ny JS Kabylie, klioba divizionina voalohany alzerianina, tamin’ny klioba malagasy nitaiza azy dia ny Akademia Ny Antsika izany ny taona 2011. Nandalovany avokoa ireo klioba sangany ao an-toerana ankoatran’io efa voalaza io dia ny AS Khroub, USM Harrach, ES Sétif ary ny MC Alger, izay hidiran’ilay lohalaharan’ny CFFA teo aloha mbola miatrika ny CHAN 2022 ao Alzeria ihany ankehitriny dia I Rakool na Koloina Razafindranaivo izany. Ny taona 2019, izany hoe teo amin’ny faha 29 taonany I Ibra vao navotsotry ry zareo alzerianina satria tsy azon’ny vahiny milalao any an-toerana atao ny mbola milalao amina klioba alzerianina rehefa mandia ny faha 30 taona. Ibrahim Amada, izay fantatry ny mpitia kitra malagasy amin’ny fiantsoana azy hoe “missile” noho ny talentany amin’ny tifi-davitra amin’ny alalan’ny tongony havia, indrindra indrindra. Tsy ity irakiraka afovoany ity irery anefa fa efa nandany 5 taona tany an-toerana koa ny irakiraka mpanafika malagasy hatrany dia I Carolus Andriamahitsinoro na Carolus Andrea izany ny taona 2012 hatramin’ny taona 2017 raha nilalao tao amin’ny USM Alger, divizionina voalohany alzerianina hatrany, nanomboka teo amin’ny faha 23 taonany. Mbola azo lazaina hoe tompon’ny tifi-davitra na “coup franc” koa ity lohalaharana malagasy isany nanao ¼-dalan’ny CAN 2019 ity. Ankehitriny moa dia io I Rakool fa handimby an’I Ibrahim ao amin’ny Mouloudia Club ao Alger amin’izao faha 22 taonany izao. Mahasarika ny alzerianina hatrany, araka izany, ireo malagasy mpamono tifi-davitra, raha baolina kitra no resaka. Irariana anefa na izany aza ny tsy hijanonan’ity zandrikely ity ao amin’ity firenena ity ihany fa mba hahasarika klioba amina firenena misy fifaninanana matanjaka kokoa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus