tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Sport

Nafana ny fandraisana ny BAREA Andrasana ilay « prime » nampanantenaina

Tonga omaly ny Barea ary notsenaina tamin'ny fomba makotrokotroka nanomboka teny Ivato ka hatrany amin'ny kianja ben'ny Mahamasina.

06-févr-2023

Sample post image

Tomefy olona ny lalana nandalovan'ireo mahery fo. Adiny telo vao niditra ny kianja izay efa hipoka ny Barea sy ireo mpanaraka azy ireo. Tena fety be da fety be araky ny fiteny mahazatra ny maro. Raha naneho fisaorana ny rehetra ny kapiteny Tantely sy ny mpanazatra Roro dia niavaka kosa ny fandraisam-pitenenan'ny Filoha Andry Rajoelina satria rehefa avy nisaotra nivantana ireo mpilalao izy ary niavaka mazava ho azy ny an'i Tsiry izay mitondra ny laharana faha 13 ary nahafaty ny baolina teo amin'ny minitra faha 13. Nolazainy koa avy eo ny faniriana hanao fifaninanana hiadina ny tompondaka any amin'ny faritra rehetra. Hevitra tsara saingy mety hanimba indray ilay Pro League izay tena angady nanana izao fahombiazana Izao. Tena tsy lavitra tokoa mantsy ny Barea raha niondrika tamin'ny isa 1noho 0 teo anoloan'ny Liona Sonegaly izay nibata ny amboara raha nanilika ny Alzerianina teo amin'ny fandakana penalty (5-4). Nitohy nandritry ny hariva ny lanonana teo Mahamasina na dia nisy ihany aza ireo nody aloha noho ny tsy fandriampahalemana. Nofaranana tamin’ny afomanga ho mariky ny fifaliana, hoy ny Filoham-pirenena izay nampanantena fa tsy maintsy ho raisina eny amin’ny lapam-panjakana ary ho tolorana mari-boninahitra ny Barea satria nitondra ambony ny voninahim-pirenena. Mbola mitodika any amin'ny federasiona ihany koa ny mason'ny rehetra mikasika ny fomba hizarana Indray ilay 500 000 dolara ; fa mbola eo ihany koa ny fampanantenana fanomezana ara-bola na « prime » ho an’ny ekipa, dia samy miandry moa.Eo mahita azy e !

Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hetsika Moto show Tranoheva miisa 60 eo no hampiranty tontolon’ny kodiaran-droa
08-juin-2023

Ho tontosaina ny 9, 10, 11 jona izao eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika fampiratiana goavana momba ny kodiaran-droa na «Moto show».

Card image cap
Ibrahim Amada «Mety mbola ho tafiditra anaty lisitra»
08-juin-2023

Nanazava ny antony nahitana ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea farany teo, Ibrahim Amada,

Card image cap
Barea U23 Mandray anjara amin'ny fifaninanana any Mantes la Ville
08-juin-2023

Ny hananan'i Madagadikara mpandimby tena havanana ireo Barea no mbola himatimatesan'ny UFICASM miaraka amin'ny fikambanana Madas.

Card image cap
Tennis- Amboara Billie Jean King Nandresy an’i Sénégal i Madagasikara
08-juin-2023

Mbola mitohy ny fampisehoana ataon'ireo tovovavy mpilalao tennis any Kigali mandritry ny fiadiana ny Amboara Billie Jean King Izay Sokajy faha IV.

Card image cap
Adina ara-panatanjahantena bakalorea Am-polony ireo tovovavy hita fa bevohoka tany Atsimo Andrefana
07-juin-2023

Fotoana hahatrarana ny tovovavy iray mitoe-jaza ny fanaovany fanetseham-batana mafy loatra toy ny fanaovana fanatanjahantena.

Card image cap
Barea Fady ny mampiasa ireo latsaky ny 19 taona ?
07-juin-2023

Efa fanandramana ny hanamboarana ny ho avy ve dia tsy mbola miantso ireo taninketsa tena mamiratra ?

Voir plus