dia mba miantrano amina toerana mendrika ireo mpilalao rehefa tonga milalao eto Madagasikara. Raha ny mpilalaon’ny Barea amin’izao no niaina ny niainanay taloha dia tena mino aho fa tsy hiverina anaty ekipam-pirenena intsony izy. Amin’izao, hoy hatrany ny tenany, fara-faha ratsiny mba amina hotely lehibe toa an’i Ibis sy Novotel no andraisana ireo mpilalao. Nisy nahatsara azy ny fiaretanay, hoy koa i Faneva Ima na Faneva Andriatsima, kapitenin’ny ekipam-pirenena tao anatin’izany CAN 2019 izany. Nampirisika anay hiady izany, hoy izy. Nanamafy ny saina hiady ny tsy fanjariana maro nisy. Ankehitriny, hoy hatrany izy, tsy manana izay herin-tsaina nanananay izay intsony angamba ireo mpilalao satria mety efa mahazo ny ilainy rehetra.
Nangonin’i J. Mirija