airtel

Sport

11-oct-2021

Sport

Nandresy ny Barea Vita ny valin’ady tamin’i RD Congo

Sample post image

Nanokatra ny fandresena voalohany ho azy amin’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2022 » ny Barean’i Madagasikara omaly ho an’ny lalao faha-4, izay nifanandrinana tamin’i RD Congo.

11-oct-2021

Io ihany koa ny fandresena voalohany ho an’ny ekipam-pirenena teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina taorian’ny faharesena 1-0 nanoloana an’i Bénin tamin’ny lalao voalohany ny 2 septambra lasa teo. I Njiva Rakotoharimalala N°10 no nitondra ny fandresena ho an’ny Barean’i Madagasikara, vao teo amin’ny minitra faha-2 nilalaovana, tamin’ny alalan’ny tolotra nataon’i Voavy Paulin tany amin’ny sisiny ankavanana. Nisy fiovana lehibe ny fampijoroana ireo mpilalao 11 voalohany, ka nisantatra ny naha tompon-toerana azy voalohany amin’ny maha mpiandry harato i Mathyas Randriamamy. Najoro avy hatrany ho tompon-toerana tao amin’ny vodilaharana afovoany i Fabien Boyer Mpilalaon’ny Excelsior atsy La Réunion, izay ny sabotsy tolakandro no tonga teto Madagasikara. Napetraka ho tompon-toerana i Fabrice teo amin’ny lohalaharana, ary najanona ho mpanafana seza kosa I Hakim Abdallah. Nampitaintaina tanteraka hatrany amin’ny minitra farany ny lalao satria niezaka nanafika hatrany ny Congolais, saingy hita ho nirafitra ireo vodilaharana Malagasy, nanao ny ainy tsy ho zavatra ry Fabien Boyer, Metanire, Mamy Gérvais, Bapasy,… nampian-dry Rayan sy Marco tao afovoan-kianja izay sady niaro no nanafika. Napetraka ho somary vodilaharana sady nitarika fanafihana avy any amin’ny sisiny havia ihany koa I Lapoussin. Nahita “corners” miisa 8 ny Congolais, raha toa ka tsy dia nisy baolina natahorana firy hiditra tamin’ny haraton’I Mathyas Randriamamy, izay roa na telo raha be indrindra tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao niditra ny fizaram-potoana faharoa, nampidirina nanolo an’I Paulin I Arnaud mba hitondrana aina vao ho an’ny fanafihana. Tany amin’ny faha-80 minitra nivoaka I Njiva nampidirina I Ahmada mba hanamafisana ny fiarovana ny tombon’isa. Saika nahasala ny isa ny Congolais teo amin’ny minitra faha-84, rehefa nisy baolina nifanjevoana. Efa tany amin’ny 90 minitra kosa no nesorina I Boyer, nampidirina I Abdallah, ary Fabrice kosa nosoloina an’i Hery Bastien. Nampimenomenonana ny Congolais io satria efa tao anatin’ny fanampim-potoana. Nafampana ny fifandonana, ary niafara tamina gidragidra satria tsy levon’ny vavonin’ny Congolais ny fahareseny.


Miha midina ny herijikan’ny Congolais izay resintsika satria iray ihany no ho tafavoaka Vondrona hanao lalao sakana. Hatreto, mitana ny laharana voalohany ao amin’ny Vondrona J ny Tanzanianina manana isa 7, taorian’ny fandresen’izy ireo an’I Bénin 1-0 omaly atoandro, manana isa 7 ihany koa ny Béninois eo amin’ny laharana faha-2, ary fahatelo I RD Congo manana isa 5, ary faha-4 isika manana isa 3. I Tanzanie sy Bénin no hifandona amintsika amin’ny lalao roa farany. Somary kely ny herijika, saingy ahafahana manomana sahady ny fifanintsanan’ny CAN 2023 ny lalao ho an’ny Barea, izay hita sy tsapa ho mivoatra na eo aza ny olana sy ny hagegen’ny mpitantana miady an-trano.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap