airtel

Sport

25-mars-2021

Sport

Nicolas Dupuis “Hanao izay handresena an’i Niger isika”

Sample post image

"Tsy mitady excuses aho momba ny toetr’andro sy ny tontolon'ny lalao. Resy ny ekipako satria nanatombo ny mpifanandrina aminay.

25-mars-2021

 

 

 

 

 Arahabaina ny Etiopianina. Ekipa tena tsara ary mahay baolina. Mendrika ho azy ireo ny fandresena. Ambonintsika ny Etiopianina androany. Fantatro tokoa fa ho mafy ny lalao anio ary dia io vokatra io no porofo. Na Côte d'ivoire na Niger dia samy niondrika teto avokoa », hoy ny mpanazatra ny Barea Nicolas Dupuis taorian’ny fiondrehan’ny Barea omaly. Tokony nahafaty baolina 1 na 2 isika tamin'ny fidirana voalohany, anisan'izany ny an'i Voavy Paulin vao efatra minitra nilalaovana. Saingy mivaly amintsika moa ireny rehefa tsy tafiditra, hoy izy. Tifitra tsy latsaky ny 13 no nataontsika, tsy nisy maty. Ny azy ireo 4 ihany niditra avokoa. Nanana herinandro maro nihomanana I Ethiopie. Izahay roa andro. Na izany aza dia mairahaba ny mpilalaoko aho satria dia niady izy ireo ary nihatsara kokoa ny fizaram-potoana faharoa. Tamin'ny fidiran'ny fizaram-potoana faharoa dia efa nieritreritra sahady ny lalao manaraka aho hany ka nanao fanovana haingana. Manana andro 6 isika hihomanana amin'ny Niger, hoy hatrany I Nicolas Dupuis. Miaiky ny faharesena izahay, saingy tsy hay ny tsy hanome fanamarihana momba ilay "fait de jeu" tamin’ny fizaram-potoana voalohany raha ninia nandona ny baolina tamin'ny tanany teo ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana ny mpiandry tsatoby an'izy ireo. Na aiza, na aiza dia karatra mena iny ary tokony nahazo tombony tamin'izany isika raha toa ka niala ny mpiandry tsatoby an'izy ireo”, hoy ity Mpanazatra ny Barea ity manoloana ny fomba nitsarana ny lalao.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap