tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sport

Nicolas Dupuis Mbola miezaka miaro tena hatrany

Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.

27-mars-2023

Sample post image

Mendrika iny fandreseny iny ny mpifanandrina na dia tena tsara aza ny endri-dalao nasehontsika nandritry ny 35 minitra voalohany, hoy izy. Baolina tokana ihany no tsy tafidiny. Azoko in’arivo ny fahadisoam-panantenan’ireo mpanohana. Hanome ny rehetra izahay mba hahazoana fandresena amin’ity lalao miverina ity. Malahelo aho fa tsy afaka nanaradia taty ny 3 tamin’ireo mpilalao isany ilaina. Ny tsy maha eo an’I Datsiry sy Loïc ary Sylvio dia ho fahavoazana ho antsika. Ny iray moa noho ny antony ara-pahasalamana ary ny an’ny roa hafa kosa dia noho ny fitondran-tena tsy mendrika izay tsy ankasitrahako mihitsy. Nanaraka anay kosa I Ando sy Tendry ary nameno vondrona tena vonona, hoy hatrany I Nicolas Dupuis. Hita ho mbola miezaka miaro tena sy te hanipy ny mbola mety tsy ho fahombiazany amin’ny hafa hatrany araka izany ity mpanazatra ity. Efa manana ny tsy fahafahan’ireo mpilalao miisa 3 voalazany teo ho mety ho anton’izany tsy fahombiazany izany na “excuse” indray, araka izany, ny tenany amin’ity lalao atrehina anio ity. Ny mahagaga dia mbola sahiny ihany ny milaza fa mbola tena anaty fahavononana ny ekipam-pirenena na teo aza ireny faharesena tetsy Mahamasina farany teo ireny? Mirary fandresena ho an’ireo boay kely hatrany tokoa moa na izany aza ary dia ho hita eo indray izay ho ambaran’ingahy Nicolas Dupuis aorian’ity lalao anio ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volley-ball Tompondakan'i Madagasikara Fantatra ireo hanao manasa-dalana
26-mai-2023

Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.

Card image cap
Pro League Playoffs Mbola tsy very fanantenana ny Disciples
26-mai-2023

Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.

Card image cap
RIM Ho sarotra ny fandidiana
26-mai-2023

Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.

Card image cap
Mpanazatra Barea A Mety tsy ho raikitra indray Fabiano Costa !
25-mai-2023

Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.

Card image cap
Rugby - Amboaran'i Afrika Nandresy ny Makis vehivavy
25-mai-2023

Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.

Card image cap
"Pique-nique géant FRESH" Hafana ny fiarahana amin’ny AmbondronA sy Zay
25-mai-2023

Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.

Voir plus