airtel

Sport

07-janv-2021

Sport

Nicolas Dupuis Miha resy lahatra amin’ny mpilalao anatiny

Sample post image

Nanazava fohy mikasika ny tetikasany momba ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra amin’ity taona ity ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis.

07-janv-2021

 

 

 

Nasiany teny manokana ny momba ny vodilaharana, Thomas Fontaine, izay tsy afaka ny hiatrika ireo lalao miisa 2 farany hifanandrinantsika amin’i Etiopia sy Niger ny volana martsa izao noho ny ratra mafy nahazo azy. Mikasika izay mpilalao heveriko ho afaka hanolo ny toerany amin’io fotoana io, hoy izy, dia mino aho fa azo hantenaina ho ao anatin’ny heriny i Bapasy sy Jeremy Morel. I Theodin ihany koa hitako fa afaka hipetraka eo amin’io toeran’i Thomas io tsara. Vao avy nijery azy tany Mahajanga aho farany teo. Tokony hahita mpilalao anatiny, izany hoe avy eto an-toerana misimisy isika amin’io martsa io. Rinjala ao tsara ihany koa no hitako tany Mahajanga ihany. Nina koa tokony ho eo amin’io, hoy hatrany ny tenany, hita ho miha resy lahatra amin’ny mpilalao anatiny. J. Mirija

 


Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap