airtel

Sport

15-sept-2025

Njiva Rakotoharimalala

Andraindraina ny fiverenany amin'ny oktobra

Sample post image

Niverina masiaka ary tafaverina ho isan'ireo 11 voalohany

15-sept-2025

eny ambonin'ny kianja hatrany tato anaty lalao miisa ny lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala, eo amin'ny fifaninanam-pirenena eo amin'ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany ao Thaïlande. Namiratra indray ny lehilahy niaraka tamin'ny ekipany dia ny Ratchaburi FC ny sabotsy teo nanoloana an'i Port FC, raha ny fampitam-baovao voaray. Heverina fa andrandrain'ireo mpankafy ny ekipam-pirenena, indrindra mpankafy azy manokana ihany koa, araka izany, ny fiverenany eo anivon'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara amin'io volana oktobra io. Tsiahivina fa ny 12 oktobra 2025 izao indray moa ny lalao manaraka hatrehin'ny ekipam-pirenena ao anatin'ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hankanesana any amin'ny amboara erantanin'ny baolina kitra 2026. Andro faha 9 io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique