airtel

Sport

01-sept-2025

Noraisina manetriketrika ireo mahery fo

Mendrika ny Malagasy, misaotra Barea !

Sample post image

Nepetraky ny vahoaka tamin’ny toerany ny Barean’i Madagasikara,

01-sept-2025

izay nigadona teto Madagasikara omaly alahady 31 aogositra, taorian’ny famaranana lehibe ny sabotsy teo. Toy ny tamin’ny CAN 2019, ny CHAN 2023 izay nahazoantsika fahombiazana nanaovana fitsenana sy fandraisana makotroka, dia niverina indray ny toy ireny omaly, ary nafana kokoa hatrany ny fankasitrahan’ny vahoaka ny ekipam-pirenena, izay sambany teo amin’ny tantara no tafita tamina famaranana goavana teo amin’ny baolina kitra teto Afrika, fifaninanana kaontinantaly goavana. Vahoaka sesehana no tonga nitsena sy nanome voninahitra ny Barea izay nigadona omaly tolakandro teny Ivato, nandalo an’i Tsarasaotra, Akorondrano, Analakely,... Rakotra vahoaka ny làlana niainga teny Ivato ka hatreny Mahamasina, hany ka tao anatin’ny ora efatra teo ny làlana, tamin’ny 8ora alina latsaka kely vao tonga tetsy amin’ny Kianja Barea ny fiarabe nitondra ireo mpilalao sy ny delegasionina. Tsy resy ny Barea amin’ny Malagasy, fa mpandresy. Nandresy izy tamin’ny fitiavan-tanindrazana, tamin’ny herim-po, tamin’ny faniriana hanandratra ambony ny voninahi-pirenena Malagasy. Ity famaranana ity dia heverina fa tsy fiafarana, fa fiandohana, ary tsio-drivotra vaovao indray ho an’ny kitra Malagasy. Fiandohan’ny vanim-potoana vaovao, izay mitaky fanohanana, fivoarana, ary fitohizan’ny ezaka. Na tsy azontsika aza ny amboara, nisoratra ho tantara, ary naneho fa mendrika sy mahay ny Malagasy. Hitan’i Afrika sy izao tontolo izao, fa mendrika isika, tsy azo hamaivanina isika, manana hambom-po hahavita zavatra sy hahazo vokatra. Naneho ny fahaiza-manaony ny mpanazatra sy ireo ekipa rehetra, nanome ny tsara indrindra avy aminy ny mpilalao. Porofo mivaingana ny fisian’ireo mpilalao 7 voaantso handrafitra ny Barea A, ny fisiana mpilalao mety hovidiana klioba matanjaka vahiny raha tsy hilaza afatsy i Lalaina, saingy misy anarana hafa efa manomboka mivoaka fa mety hilalao any ivelany atsy ho atsy. Goavana ny finiavana sy fikirizana nasehon’ireo mpilalao toto tanana, mpanazatra toto tanana, staff Malagasy 100%,... Maneho sy manamafy fa mahay ny Malagasy, afaka mahavita zavatra, afaka mahomby,… Mbola afaka manao zavatra tsara hatrany isika rehefa mihombom-po sy miara-miasa, fa mila politika ara-panatanjahantena mahomby kokoa, fa tsy sanatria rehefa mahomby vao mandeha ny fitaingenana ara-politika. Manao ahoana ohatra ny karama omena ny mpanazatra Malagasy mitaha amin’ny mpanazatra vahiny ? Azo handraisana lesona amin’ny sehatra hafa ny soatoavina nasehon’ny Barea, fa afaka mandresy rehefa mahay miara-miasa sy mihombom-po, ary manam-piniavana hahavita zavatra,…

NY 85% AMIN’NY PRIZE MONEY NO HO AN’NY EKIPA
Raha hiverenana, 1,2 tapitrisa dolara na 5,3 miliara Ar ny fankasitrahana na « prize money » ho an’ny Barea noho ny fahatafitana tamin’ny famaranana sy nahazoana ny laharana faharoa. Nambaran’ny FMF fa 60% ho an’ny mpilalao sy ny Staff, raha 40% kosa ho an’ny Federasionina. Toa somary nentina tamin’ny fampalazana tena ara-politika ihany indray anefa ilay izy, ka nandritra ny antso nataon’Atoa Andry Rajoelina nialohan’ny lalao famaranana, dia nangataka ingahy Filoha mba ho ny 85% izany hoe : 4,8 miliara Ar eo ho an’ny mpilalao sy ny Staff, ary 500 000 dolara na 14% eo ho an’ny FMF. Tahaka ny hoe : i Andry Rajoelina no niady ho an’ny mpilalao sy ny staff. Ekena fa 60%-40% tamin’ny CHAN 2023, ary ekena fa nisy fikarakarana nataon’ny FMF, saingy adidiny izany amin’ny maha mpiahy ny baolina kitra azy. Zava-dehibe ny vita, ankasitrahana ny finiavana rehetra, ankasitrahana ny fanohanana marolafy,… Mila tohizana ny tsara vita, harenina ny lesoka,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

nesorin’ny Real Madrid i Alonso

Card image cap