Nanomboka afaka kely an'i Sambaina no nitandrozotra ny aotomibilina sy moto maro nihoby ireo mahery fo ireo. Sabotsy koa moa ny andro ka vory lanona ny vahoaka. Tsotra ny valintenin'i tovolahy iray raha nanontaniana ny antony tena nahafaly azy. "Tena faly izahay fa tsary nahazo fandresena izany isika raha tsary nisy an'i Nina" . I Nina izay diso fantatry ny vahoakan'Antsirabe raha mbola nanao basket . I Onja indray dia nianatra tao amin'ny Akademia Ny Antsika izay tena fitaratry ny baolina kitra eto Antsirabe.
INDRO KELY
Ny indro kely tamin'ny lanona dia ny nahitana an'i Ronaldo nilahatra niaraka tamin'i Nina sy Onja sady misalotra ny akanjo maintso Bateau no mbola mitondra badge ihany koa hany ka noheverin'ny sasany ho toy ny mahery fo ihany koa. An'i Ronaldo ny sehatra io andro io nefa anie dia ilay badge nidirana teo Mahamasina no teny am-bozonany .Amin'izay indray mbola miteniteny foana fa tsy araky ny filazana hoe mpanentana. Mba ampianaro fahalalam-pomba ihany ny zaza indray. eo anoloan'ny gara ve ianao no hikiakiaky hoe iza isika ? Valiny : anay tsa izy anga.
Clément RABARY
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.