airtel

Sport

25-févr-2025

Orange Madagascar

Hanohana ny «Malagasy Pro Padel Tour»

Sample post image

Nanavao ny fiaraha-miombona antony ho an’ity taona 2025 ity ny Orange Madagascar sy ny Malagasy Pro Padel,

25-févr-2025

raha ny fampitam-baovao omaly, ho fanohizana ny stratejia fanohanan’izy ireo ny fanatanjahantena malagasy. Ho lohany amin’ny fanohanana ny hetsika «Malagasy Pro Padel Tour», izay nanomboka ny taona 2023, manomboka eto ity orinasam-pifandraisan-davitra ity, raha ny fanazavana voaray. Ny Padel moa dia karazana fanatanjahantena mifanakaiky amin’ny taranja Tennis sy Badminton, raha tsorina ny filaza azy. Taranja somary mbola vitsy mpahafantatra izy io, raha eto amintsika, na dia teo aza ny fisian’ity hetsika ity efa ho 2 taona izao. Tanjona, noho izany, hoy hatrany ny fanazavàna ny anapariahana azy manerana ny nosy sy ny sehatra rehetra izay tratra.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »

Card image cap
30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap