airtel

Sport

06-avril-2023

Sport

Orange Pro League Hangotraka indray Ampasambazaha

Sample post image

Tena hiady ity andro faha 13 ny Orange Pro League ity satria maromaro ireo lalao izay ho sarotra ny ahita ny mpandresy. Isan'ireo ity lalao handraisanan'ny Zanakala an'ny Disciples amin'ny alahady ao Ampasambazaha

06-avril-2023

Aleo dia tsorina fa mahery antaniny raha ireto Zanakala ireto. Ekena fa tena nivoatra izy fa tombony ho azy ny fanohanana tsy misy fepetra ireo mpijery ao Ampasambazaha. Ny Disciples rahateo niova kely tsy toy ny taloha ka hitondra mpanohana marobe avy any Betafo Na izany aza hiady ny baolina satria manana mpilalao avo lenta toa an-dry Tendry sy Ando Rakotondrazaka ary Tantely izay mandrafitra ny Barea CHAN Mafy ireo miampy an'i Coka izay nody avy any Seuchelles sy Dahery izay efa tonga amin'ny heriny. Tsy zoviana amin'ny maro koa anefa i Kanté. Fa na mampitahotra toy izany aza ny Disciples amin'izao dia mbola mila miady vao mety aharesy ny Zanakala ao an-tokotaniny Misy boay kely manohitra ao ka sarotra ny lalana. Fa isan'ny andrandrain'ny mpitia kitra koa ny fihaonan'ny Uscafoot sy Ajesaia ny alahady etsy Alarobia. Ekipa roa samy mitady fandresena mantsy ireo ka inoana fa tsy hifampitsitsy. Raha tsy hoe angamba hilavo lefona indray Antanikatsaka izay somary marefo tato ho ato. Ny lalao fahatelo heverina tena hiady dia ny fihaonan'ny Tia Kitra sy AS Fanalamanga ao amin'ny kianja Barikadimy any Toamasina. Andaniny ny Fanalamanga izay tsara toarena hatreto ary ankilana ny Tia Kitra izay miezaka hiala io laharana faharoa avy any afara io. Famaranana kely io ho an'ny Tia Kitra fa dia asa izay hataony Mandram-piandry izay hiseho dia indro omena anao ireo fandaharan-dalao hafa.
Sabotsy 8 aprily
Kianja Elgeco Plus 10 ora : CFFA # 3FB
Toliara 2 ora 30 : Elgeco Plus # Dato
Kianja Mahitsy 2.30 : COSFA # Tsaramandroso
Alahady 9 aprily
Antsiranana 2.30 : ASA
Nosy Be # Fosa Juniors.
Mahitsy 2.30 : JET Kintana # MAMA.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap