airtel

Sport

03-avril-2023

Sport

Orange Pro League Lavo ny Ajesaia

Sample post image

Teknika fa tsy angovo hoy ny filamatry ny Ajesaia. Saingy ny sabotsy teo tany Toamasina dia sady tsy teknika no tsy angovo nanoloana ny Fanalamanga izay tena tongatonga araky ny fiteny.

03-avril-2023

Resy 2 noho 0 ny Ajesaia Baolina matin'i Georginoh ( 58) sy Avotra (69) vokatry ny fanafihana sesilany nataon'ny Moramanga Hita banga rahateo ny toeran'i Rojo Be izay nifindra any amin'ny Saint Pauloise hany ka nanarataotra toy ny banga mihomehy alina ry Tsalo sy ny namany. Fa tsy Fanalamanga irery no nahavita fahagagana tamin'ity andro faha 12 ity fa teo koa ny Zanakala izay nitazona ny Elgeco Plus i Onja no nampiditra ny baolina voalohany tao Ampasambazaha (36) saingy nosahalain'ny tompotany izany tamin'ny alalan'i Fabrice izany (64) .Toy izao ireo vokatra hafa notontosaina ny omaly alahady Kianja Alarobia : COSFA nandresy ny Uscafoot 1 noho 0 Kianja Maître Kira 3FB nandresy JET Kintana 1 noho 0 Kianja Rabemananjara Fosa Juniors nandresy Tsaramandroso 1 noho 0 Kianja Elgeco CFFA nandresy Dato 1 noho 0 .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »

Card image cap
30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap