Ity farany anefa banokatra ny isa tamin'ny alalan'i Fely ilay mpilalaon'ny Five FC taloha . Namaly bontana anefa ry zareo Nosy Be tamin'ny fidirana faharoa. Nanasahala ny isa aloha i Gelinoh (67) ary ny nampiditra ny baolina faharoa i Beni (75). Nanomboka teo dia niray feo tamin'ny ASA ireo mpijery marobe ka tonga ho azy ny baolina fahatelo matin'i Victor. Mety tsy hijanona eo ny vokatra tsara ho azon'ny ASA satria dia mijanona any Diego foana izy amin'ireo lalao sisa hatrehiny. Tamin'ireo lalao hafa dia nifoha tamin'ny torimasony ny Ajesaia raha naharesy 1 noho 0 ny Uscafoot tetsy amin'ny kianja Alarobia. Tany Fianarantsoa indray dia voatazon'ny Zanakala sahala 2 noho 2 ny Disciples FC na dia nanokatra ny isa voalohany. Nahazo hery anefa ny Zanakala nohon'ny fanohanana tsy misy fepetra ataon'ireo mpijery . Toy izao kosa ny vojatra hafa teo amin'ity andro faha 13 ity. COSFA sy Tsaramandroso 1 noho 1 - Elgeco Plus nandresy Dato 1 noho 0 - Mama FC nandresy JET Kintana 1 noho 0 - Fanalamanga nandresy Tia Kitra 2 noho 1
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona