Tsy nivoaka mihintsy ry Zola sy Safidy nanzovan'i Ando Racap sy Andokely azy. Tena nivoatra be ity farany hoy Roro Rakotondrabe izay tafaresaka taminay. Tsy mitsahatra manaraka ity Pro League ity moa ity mpanazatra nasionaly ity ary milaza mazava fa efa betsaka ireo voatily vaovao." Tsy misy mahalala izay avoakan'ny ampitso fa aleo dia mijery dieny izao. Fa raha hiverenana ny lalao omaly dia tsara ny fanoloana mpilalao satria vao niditra kelikely i Benteke dia nahafaty tamin'ny daka miraiky izay tsy azon'i Joma ilay mpiandry tsatokazo vaovao an'i Disciples. Io isa io koa no nisarahan'ny roa tonta. Tamin'ny lalao nandrasan'ny maro dia nirava ady sahala samy tsy nitoko ny CFFA sy Mama mbola tetsy amin'ny By Pass omaly ihany. Toy izao kosa ireo vokatra hafa afatsy ny lalao hihaonan'ny 3FB sy Zanakala izay hatao anio noho ny oram-be any an-toerana. - Fosa Juniors nandresy Fanalamanga 1 noho 0 - Mama - CFFA 0 noho 0 - Ajesaia - COSFA 0 noho 0 - Tia Kitra nandresy Tsaramandroso 1 noho 0 - JET Kintana nandresy Dato 2 noho 1 .
Clément RABARY
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.