airtel

Sport

06-juin-2023

Sport

Orange Pro League Tonga amin'ny manasa-dalana

Sample post image

Tonga eo amin'ny tsotsorimamba hisaraha ireo ekipa hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Ho hafa kely ity indray mitoraka ity satria ireo niraivondrona tany Avaratra no hifanasa vangy.

06-juin-2023

Ary raha mieritreritra ho tafita ireo roa voalohany dia Fosa Juniors sy COSFA dia mety ho diso hevitra ihany satria efa nahazo hery na ny Ajesaia izay nanilika ny CFFA na koa ny AS Fanalamanga izay nanitsana ny Elgeco Plus izay tena nihevitra ho afaka tamin'ny fakana ireo mpilalao sangany avy tao amin'ny Adema nahitana an'i Nina, Datsiry ary Onja. Tsy hoe kajikajy aloha ny baolina kitra ka dia iny no valiny. Ny sabotsy izao no hihsona ao amin'ny kianja ao Barikadimy ao Toamasina ny Fanalamanga sy ny COSFA. Tena hiady io lalaomanomboka amin'ny roa ora sy sasany io Ny tsara msrihshana dia tena mafy ny fiarovantenan'i Moramanga izay ahitana an'i Tsalo sy Rajao.. Any aloha indray no ahitana an'i Besna ilay tao amin'ny Fosa taloha Ny miaramila indray dia fantatra fa hamoaka ireo fiadiana mahery vaika satria fabtany fa raha afaka eo izy na mivoaka sahala fotsiny aza dia ho mafy ny miandry ny Fanalamanga amin'ny lalao miverina izay mety ho tontosaina eny Vontovorona. Ny lalao hihaonan'ny Fosa Juniors sy Ajesaia indray dia mivoa kely satria tsy hatao any Ambohidratrimo toy ny mahazatra ireto mpilalaon'Antaninkatsaka fa etsy amin'ny By Pass. Mety safidy ara-bola angamba no antony satria mahazaka olona maromaro ity kianjan'i Alfred Randriamampisoa. Ny herin'ny Ajesaia dia ny fananany an'i Feno izay tena tonga amin'ny heriny ary porofon'izany ireo baolina roa matiny nanoloana ny CFFA an'i Titi Rasoanaivo. Ny Fosa indray dia tsy maintsy handahatra ireo Barea ao aminy manomboka amin'i Dax, Tsiry ary Jean Yves. Tsy azo odiana tsy hita koa anefa i Fabrice moiandry tsatokazo izay twna havanana na dia tsy hitan'i Roro Rakotondrabe aza fa naleony niantso an'i Melvin Adrien izay milalao any amin'ny klioba ao amin' ny N4 izany hoe diviziona fahaenina any Frantsa Safidy anefa izay ary zaran'ny Fosa aza satria mampihetsika ny anbom-pon'ity zandry kely avy any Antsirabe ity. Amin'ny alahady amin'ny roa ora sy sasany no hatao hoan'izay te hijery fampisehoana.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap