Tany amin'ny antsapaka, raha tena nisy izany, dia efa nalefa any avaratra daholo ireo ekipa mafy be toa ny COSFA, ny Ajesaia sy Uscafoot hany ka gana malemy sisa no tavela. Sarotra mba tsy hilazana hoe tsy vita mihintsy ny handresen'ny JET Mada, MAMA na Disciples an'ireo volomboasary. Tsy lazaina intsony moa ny 3FB sy ny Dato. Ny Zanakala no mba manohitra kely fa ao Ampasambazaha ihany. Midika izany fa dia any amin'ny playoffs indray aloha amin'ity taom-pilalaovana ity ny CFFA sy Elgeco Plus. Io aloha ny sary mivoaka fa mandram-piandry dia indro ny filaharana taorianan'iny andro faha 9.
Vondrona Atsimo
1) CFFA....16 isa
2) Elgeco Plus...15 isa
3) MAMA.. 13 isa
4) Disciples 13 isa
5) Zanakala...11 isa
6) JET Kintana...10 isa
7) Dato... 7 isa
3FB Toliara...5 isa
Vondrona Avaratra
1) Fosa Juniors...24 isa
2) COSFA...17 isa
3) Ajesaia... 15 isa
4) Uscafoot...12 isa
5) Fanalamanga...11 isa
6) Tia Kitra ..7 isa
7) Tsaramandroso...5 isa ASA Nosy be...2 isa
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny