airtel

Sport

09-mai-2023

Sport

Prize money » an’ny Barea CHAN Tsy mety milamina ny raharaha hatreto…

Sample post image

Mbola adihevitra tsy vita ny raharaha fitsinjarana ilay « Prize money » mitentina 500 000 dolara azon’ny Barea A’ tany amin’ny CHAN 2023.

09-mai-2023

Namoaka ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra omaly, fa ny 50% ho an’ny mpilalao, 10% ho an’ny klioba, 5% ho an’ny ligy, 5% an’ny Pro League, ary 30% an’ny Federasionina. 24 ora taorian’ny antso nataon’ny Filoham-pirenena io. Mbola tsy tapitra anefa ny adihevitra ka betsaka no milaza fa tokony ho ny 70% no omena ny mpilalao, ary ny 30% dia izay hitantantan’ny FMF azy sy izay homeny azy. Voalaza mantsy fa 70% no nositrahan’ny mpilalao tamin’ny vokatra azo nandritra ny CAN 2019. Ny FMF kosa no tonga dia nanapaka an’io fitsinjarana navoakany tamin’ny tambajotran-tserasera io fa tsy nisy fifampidinihana, ka noraisin’ireo mpilalao ho tsy ofisialy. 30% moa no voaresaka tany aloha, saingy io niova ho 50%, kanefa mbola tsy tapitra hatreo ny adihevitra. Mandeha ihany koa ny fanamarihana fa tamin’ny voalohany ny taratasy avy any amin’ny FIFA tsy misy resaka Orange Pro League ka foana indray ve ilay taratasin’ny Fifa? Ny tany dia hoe: homena ny klioba dia omen any ligy? Voalaza fa nisy ny fifampidinihana teo amin’ireo mpilalao niaraka tamin’ny mpanazatra sy ny Minisiteran’ny fanatanjahantena omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap