airtel

Sport

19-avril-2023

Sport

Pro League Famaranana kely ny adin'ny MAMA sy Disciples

Sample post image

Tonga amin'ny tsotsorimamba hisarahana ny Disciples FC sy ny MAMA izay hihaona etsy amin'ny By Pass ny alahady ho avy izao ao anatin'ny andro faha 14 ny Orange Pro League.

19-avril-2023

Azo lazaina fa tonga dia tsy tafita amin'ny playoffs mamtsy izay resy ary na sahala fotsiny aza dia loza ho an'ny Disciples. Loza satria sarotra ny hino fa tsy hibata fandresena any Toliara ny Zanakala manoloana ny 3FB. Manana ny olona ampy anefa ity Disciples ity fa tena tsy fantatra na ny mpanazatra no tsy maharaka na ny tsy maha eo ny filoha mpitarika Rija. Andria fa toa miraviravy tanana ny rehetra taorian'iny faharesena nanoloana ny CFFA sy Elgeco Plus iny. Ny olona ivelana anefa niaky fa manana mpilalao ny Disciples raha tsy hiteny afatsy ireo Barea CHAN misy an'i Tendry, Ando Rakotondrazaka na koa Tantely. Manginy fotsiny ny fananany an'i Mando, Coka sy Dahery. Tena tokony hibata anboara mihintsy azy ity ekipa ity raha misy fahavononona kely toy ny natsony tany Manakara teo ka nampibabeny kitra ny Dato tamin'ny isa 6 noho 1. Toy izao indray ny fandaharan-dalao amin',ity herimandro ity. Alakamisy 20 aprily Kianja Antsiranana ASA Nosy Be # AS Fanalamanga Sabotsy 22 aprily Stadium Elgeco Plus 2.30 :Elgeco Plus # CFFA Alahady 23 aprily Kianja Maître Kira 2.30 : 3FB # Zanakala Stadium Elgeco Plus 2.30 : Disciples FC # MAMA FC Stade Rabemananjara 2.30 : Fosa Juniors # COSFA Antsiranana 2.30: ASA # Ajesaia .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

Card image cap
02-oct-2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Card image cap
28-sept-2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

Card image cap