airtel

Sport

03-juil-2025

Sport

Raharaha fikasihan-tanana mpilalao Nifamitram-pihavanana ny Elgeco plus sy Mama FC

Sample post image

Taorian’ny tranga resaka fikasihan-tanana voalaza ho nataon’ny filohan’ny

03-juil-2025

Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF, Alfred Randriamanampisoa, izay sady mpitantana ny klioba divizionina voalohany, Elgeco plus, ihany koa, dia nisy ny fivoriana nataon’ity klioba ity sy ny nifanandrina taminy dia ny Mama FC ho famintranam-pihavanana omaly, raha ny fampitam-baovao voaray. Antony, hoy ny roa tonta, ny mba hamalonana iny disadisa iny sy ho fampiroboroboana ny atao hoe fair play amin’ny fanatanjahantena. Namafisina hatrany fa fanelanelanana na fanasarahana ireo mpilalao nifamaly no nataon’ity filohan’ny FMF ity fa tsy fikasihan-tanana velively. Porofon’izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao, izao fihaonana ara-pirahalahiana izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique