Ny Sunday Cup karakarain'ny ASA Tana no namaranana azy. Ary dia nofaranan-dry Rasoamaromaka tamin'ny fomba miezinezina satria dia i Faniry niaraka tamin'i Mahents nitondra ny Peugeot 208 izay fiara raitra indrindra sady matanjaka no voalohany. Laharana faharoa no nisy ny rahalahiny kambana aminy dia i Mika izay niaraka tamin'i Rasata teo amin'ny familiana ilay P. 206 WRC an'i Roi Lion taloha. Sarotra ihany ity Rallye indray andro ity fa 20 amin'ireo mpifaninana 36 teo am-piangana no tonga.Tonga fahatelo kosa i Dani sy Irdonen nitondra Subaru. I Mathieu Andrianjafy sy Andry Tahina izay nitana ny filaharana voalohany teo amin'ny laharana ankapobeny nandritra ny Rallye telo voalohany, no teo amin'ny ny laharana fahaefatra omaly raha nitondra ilay Subaru.Mitsubishi Evo 10 kosa no teo amin'ny laharana fahadimy ka i Yves Mau sy Rina no teo amin'ny familiana.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny