airtel

Sport

10-juin-2024

Rallye Motul andiany faha-5

Norombahin’i Mathieu sy Tahina

Sample post image

Ny ekipazy Mathieu Andrianjafy-Andry Tahina Rakotomalala Andrianjafy tamin’ny alalan’ny fiara

10-juin-2024

Subaru Impreza no nibata ny andiany faha-5 tamin’ny Rallye Motul natao ny sabotsy sy alahady teo, tany amin’iny faritra Morokay, Ambatomanga,.. ary nifarana teny Ankorondrano. Tafiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny Rallyes 2024 io. Izy ireo no tompondakan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, efa in’efatra nibata an’izany, ary mbola tsara fanombohana ho an’ity taona ity. Ny ekipazy Frédéric Rabekoto - Mick Ratrimoarinosy kosa no nitana ny laharana faharoa tamin’ny alalan’ny Subaru Impreza ihany tao anatin’ity Rallye Motul ity. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ny ekipazy Faniry Rasoamaromaka-Mahents Randriambololona, izay nitondra ilay fiara Peugeot 208 T16. Mahatratra 5 eo moa ireo fifaninanana ho an’ny taom-pilalaovavana 2024 amin’ity fifaninanana hazakazaka fiarakodia ity. Ny volana jolay izao ny manaraka, izay karakarain’ny klioba ASACM, raha toa ka ny FMMSAM no nikarakara ilay vao vita teo.
Nangonin’i Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap